Hiram-pitiavako (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiram-pitiavana hiraiko ho anao, entiko hisaorana anao
Tsy nanary ahy tamin’ny sarotra fa naneho fitiavana
Hiram-pitiavana hiraiko ho anao, ka hanavaozako indray
Ny efa niainan’ ny foko hatrizay dia ny mbola ho tia anao

Fitantarana ny zava-manjo, fihatahantako ihany koa
Ny amin’izao sy ny ho avy koa, efa natokako ho anao

Hiram-pitiavana omeko anao, hanamafisako indray
Mandrapikipy ny masoko roa , ianao no tompon’ny fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 7671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hari253
Daty : 20/11/2007 14:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013