Ampianaro (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampianaro aho Tompo mba
Ho haiko ny mitondra ilay
fitiavana ato am-poko mba
Ho ravaka diamondra
Toroy aho ry Raiko
Ilay fitiavana anatiko
Tsy ahavery ahy
Fa atolotro ho fanatitro

Homeo ahy ny fandeferana
Handreseko ny ambom-po
Toroy ny faharetana
Handrandrako valisoa
Homeo ahy ny fahendrena
Sy ny fiharovan-tena
Ho mendrika tokoa re
Ny fitiavanao

Toroy aho hahay hitia
Ampio mba ho mendrika
Tahio aho aharitra ho doria
F’aza avelanao ho rendrika

Ny fitia avy aminao
Fa faniriana hiany ny ahy
Hapetrako eo an-tananao
Ny foko mino tsy manahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 30018
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Fiffi
Daty : 28/05/2007 08:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113