Lucile

Lohateny Lucile
Nampiditra iasna
Tamin'ny 21/01/2024 07:44
Vangy : 345
G7
Tsaroanao ho banga ve ny fiainanao
Raha toa ka olon-tiana iray no nandao ?
               C7                                 D7
Mangamangana ny fo, tsy vanombanona avokoa izay atao

    F7          G7   
Zay jerena toa miteny avokoa
    C                      G7
Toa mitanisa ny hafaliana taloha
   A                              D
Ny fahatsiarovana no sisa ao an-doha
G
No manindrona fo.

G7
Reny sentosentondry, ny hantahantandry
Reo ditraditra kely zay niarahana ety
C7                     
Tsika tsy maintsy hitsiky
G7
Tsika tsy maintsy hitsiky
D7                      C7
Tsika tsy maintsy hitsiky
              G7
Hitsiky ho an-dry.

Nanao izay dina mamy isika
Tsy mba nisy naminany izay ho avy e
Fa dia nionda-nofinofy
Fa tanora ve k’ho faty sahady

Somebisebin’ny hafaliana tokoa
Iza tamintsika no nanampo
Fa ny hetraketraky ny lahatra 
No nandrotika fo.

G7
Reny sentosentondry, ny hantahantandry

Reo ditraditra kely zay niarahana ety
C7                     
Tsika tsy maintsy hitsiky
G7
Tsika tsy maintsy hitsiky
D7                      C7
Tsika tsy maintsy hitsiky
              G7
Hitsiky ho an-dry.

    G7
Lucile, rotidrotika ny fo nanantena
    C           C7                G7
Lucile, rako-mainty ny tontolo jerena
D7        G
Lucile 

Reo rangolahy mangatsiaka
No hany sisa nandrotsahan-tomany e
Zao vatan’avelo zao ve moa
Hahita izany fahoriako izany

Herintaona ihany mbola ato an-tsaina
Nipitrapitra indry teo am-pialana aina
Nivarahontsana ny fo sy ny saina
Zary kivy sy maina.

  
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088