Tondrom-peo Loatra
Tsy hitory fitia toy ny mahazatra intsony aho
Fa hovaiko indray ny lalana o
Tsy hoe tsisy fitia ho zaraina intsony aho
Fa tena mbola manana o
Tsapako fa kay
Misy hery ny teny ka anio ary ho ambarako o
Teny tsotra ihany nefa mahery vaika no iriko amin'ny fiainanao sy ny fiainako
Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no profom-pitiavako o
Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh
Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,
Mba tsisy hanakatsakana oh
Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery mahitsy fa indraindray lavadavaka oh
Mirary soa anao e!
Mirary soa anao e!
Dia ho vaky ny barazy, ny rindrina hirodana
Hirotsaka amintsika ny fahasoavana oh
Mandroso tsy ho reraka
Ny soa rehetra hiverina
Mba tena ho feno tanjaka oh
Dia mafy ny fitia izay anenika ny tany rehefa isika roa no mitambatra oh
Dia ny zanantsika rehetra ho feno fiadanana
Ho sambatra ny taranako oh
Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no profom-pitiavako oh
Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh
Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,
Mba tsisy hanakatsakana oh
Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery oe mahitsy fa indraindray lavadavaka oh
Ka ho iriko mba itondra hazavana ilay fitiavantsika fa raha tebiteby aho efa fay
Raha toa ka zava-dratsy no nafafin'izay tsy tia antsika, ho avaditsika ho tena tsara indray
Fitiavana hafahafa tsy mitovy amin'ny isan-taona fa mba miavaka, mivoaka kely indray
Fa ny foko tsy mba niova, ny fitiavako mitoetra
zah ihany ty le zokin'ilay zanakitsika
Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no porofom-pitiavako oh
Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh
Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,
Mba tsisy hanakatsakana oh
Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery mahitsy fa indraindray lavadavaka oh
Mirary soa anao eh!
Mirary soa anao e!