Tsy hira ny hira.
Ny endrikao (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sendra hakiviana ka tsy hita izay hatao
dia mitondra hafaliana
NY ENDRIKAO
Toa masoandro vao maraina
mampisava tsotra izao
irony zavon’adin-tsaina
NY ENDRIKAO.
Tena feno hazavana
izao tontolo izao
raha mirana mazana
IZANY ENDRIKAO
Fa maizina ny tany
ka manjombon-dava ao
raha lalovana tomany
NY ENDRIKAO.
Azoko ambara
tsotra izao
marobe no tsara
noho ianao
Nefa asa lahy
fa ny endrikao
no manintona ahy
lalandava izao...
Henri RATSIMBAZAFY 1961
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 10076
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 24/02/2002 20:27
