Loharano (Aina Asr)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andininy 01 :Àry aho, tsy mbola nisy izao rehetra izao
dia efa àry aho, tao am-ponao aho.
Loharanom-piainako, nanomé izay iainako
sy izay rehetra mety mba ho anjarako.
Ny hany izay mba fantatro dia izay nomenao ahy.
Isan'andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?
Andininy 02 :
Taitra aho, nifoha avy eo toa nahita anao
dia mbola niantso aho na dia naloto aho.
Avy any an-dohasaha aho no nivàrina,
hiverina hiakatra ho rahona.
Hiverina indray, irotsaka Aminao aho.
Isan'andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?
Tetezana :
Ianao ilay loharano, nahary, niaviako.
Ianao ilay loharano, izay hany hiverenako.
Isan'andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?
--------
Rohy:
Hevitra
ainaasr0
(
13/08/2022 13:22)
Aina Asr - Loharano (Lien YouTube) : https://youtu.be/1Na1jwufEMs
hery
(
16/08/2022 23:35)
Misaotra. Ankafiziko tsara ny ngadona...
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Aina AsrVangy : 884
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ainaasr0
Daty : 16/08/2022 23:32