Tolory tànana (Bapasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ianao milay be manan-drala
Hotahian-janahary ka tsy tana
Nahazo drala maro be fa nahay nikarama
Ho ambinina ianao ka tafita, harena maro be tsy voatanisa
Tsy nisy izay notadiavinao ka tsy ho hitanao

Ho tolorana fahasoavana ianao ka mizarà
Maro be ireo tsy manan-tsiny mba hiantrao sy hizarao
Ny fahatsoram-ponao tsy mba ho very
Ireo soa vitanao hananatra anao

Refrain:
Tolory tànana ireo tsy manana
Ampio ireo sahirana fa havanao
Tolory tànana ireo tsy manana
Fa olombelona aho, mitovy aminao
Tolory tànana!

2- Ianao masiaka be manan-drala
Hakaikezina mirifatra miala
Aza mba manao toa io
Fa sao lasa adala
Ouh! Ianao masiaka fa manan-drala
Hakaikezina mirifatra miala
Aza mba manao toa io
Fa sao lasa adala

Ho tolorana fahasoavana ianao, ka mizara
Maro be ireo tsy manan-tsiny, mba iantrao sy izarao
Ny fahatsoram-ponao tsy mba ho very
Ireo soa vitanao, hanandratra anao

Refrain: Tolory tànana, ireo tsy manana
Ampio ireo sahirana mitovy aminao
Tolory tànana, ireo tsy manana
Fa olombelona aho, mitovy aminao
Tolory tànana!

Auteur / Compositeur : Samuelson RAMBOASALAMA (Mbôssa)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bapasy
Vangy : 154
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 05/05/2024 09:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079