Noheverinao adala aho (Doudou Michel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noheverinao adala aho
Fa niantso, nitalaho
Nidradradradra sy nivazavaza
Nikiakiaka toy ny zaza

Nanaitra anao szkj aho mba hiarina
Nanambara taminao ny marina
Nangina aho ssufy fa tsy nohenoinao
Tsy namaly ianao nantsoina

Efa lany izao ny solika
Efa ho tononkira.serasera.org faty koa oxgs ny jiro
Efa mangina aho no mandona ianao
Miantso, miangavy, mitalaho

Aza fohazinao ny lasa
Avelao ireny hivalona any
Fahendrena ho anao ny miala
Satria noheverinao adala aho

Fony aho mbola tia
Niandrandra anao mba ho doria
Noesoinao sy nambaniana
Niavonanao, tsy novaliana

Fony aho mbola tia
Noesoinao ny hetahetako
Ny hetraketrakao taloha
No namono ilay fitia

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doudou Michel
Vangy : 1781
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Imamo
Daty : 12/08/2023 19:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013