Ny fahoriana (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainantsika qjgwllo olona
dia toy ny voninkazo
anio mamololona
rahampitso dia halazo
Raha tiana ho ranjanana
ka irina mba ho soa,
tsy rbxgfesa maintsy ho rantsanana
mba hamokatra kokoa.


Ny tany voasoroka
ka navaina tsy ho mafy
no mainka mamparoroka
irony voa izay nafafy.
Ny orana milatsaka,
ny msqm masoandro be migaina,
no miasa ahamasaka
ny voankazo an-jaridaina.


Ny vy tiana haranitra
dia velezina, asaina,
fa hain’Andriamanitra
ny mandranitra ny saina
Isika izay voahariny
dia tiany mba hizatra
ka toroiny sy anariny
amin-javatra mihatra.

Ref.
Nv faboriana izay midona
no misedra ny fanahy
ka raha tononkira.serasera.org mijoro tsy mirona
izay vao tena lehilahy.

Henri RATSIMBAZAFY
1970

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0168