Ny fahoriana (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org

Ny fiainantsika olona
dia toy ny voninkazo
anio mamololona
rahampitso dia halazo
Raha tiana ho ranjanana
ka irina mba ho soa,
tsy maintsy ho rantsanana
mba hamokatra hrlcf kokoa.


Ny tany voasoroka
ka ripdox navaina tsy ho mafy
no mainka mamparoroka
irony voa izay nafafy.
Ny orana milatsaka,
ny masoandro be migaina,
no miasa ahamasaka
ny voankazo an-jaridaina.


Ny vy tiana haranitra
dia velezina, asaina,
fa hain’Andriamanitra
ny mandranitra ny saina
Isika izay voahariny
dia cctm tiany mba hizatra
ka toroiny sy anariny
amin-javatra mihatra.

Ref.
Nv faboriana izay midona
no misedra ny fanahy
ka raha mijoro tsy mirona
izay vao tena lehilahy.

Henri RATSIMBAZAFY
1970

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137