Ny haizina efa lasa (Jérôme Randria)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny haizina efa lasamazava izao rehetra izao
ny saiko tany ho any
mitondra hafatra ho anao
Ny haizina efa lasa
mazava izao rehetra izao
ny saiko tany ho any
mitondra hafatra ho anao
Mbola misy izay tavela
ato am-poko ato
ho anao,
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
haiko mora ihany ny mifanao veloma
saingy ao an-tratra mamelovelo ao
tia anao
Indray maraina, tsaroko izany
nitady anao hatraizatraiza
tsy nahita anefa ka tomany aho
nivetso izao hafatra izao
hoe :
mbola misy izay tavela
ato am-poko ato ho anao,
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
haiko mora ihany ny mifanao veloma
saingy ao an-tratra mamelovelo ao
Tia anao
Tia anao
Tia anao
Tia anao
A/C : Jerôme Randriamahatana
P : 1965
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Jérôme RandriaVangy : 303
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tanjaka
Daty : 29/07/2025 18:29
