Ry Foko! (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry foko, mitonia     czotj      mcpiw      
Mitonia raha sendra alon-drano  
Ny hotakotakao                  
Aoka mba ho sarin’ady             tononkira.serasera.org        
Ny rangotry ny anio              
Hanolatra atsy ho atsy          
Ka aza dia mitroatra            
Banjino ny ho avy              

  Aza tomany raha nindaosin’onja
  Ilay fanantenana, nidify dia tsy hita
  Ny horohoronao, zary ho dobok’aponga
  gnvx Hiandrasana ny ampitso, hitondra ny maraina

Ry foko, na dia tsy mora
Izany hoe manadino izany
Dia ao ny fotoana
Hamolavola tsy hanjokaiky
Ny fendrofendonao
Hivadika ho hira      
Hikalo ilay mpanjaka  
Mpanjakan’ny Hazavana    

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 26164
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 26/10/2001 19:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214