Tojo anao (Bessa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tojo anao aho ka dia mirana,Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fiononana.
Nihaino am-po ny fitarainako,
Nahatsapa ny fanaintainako;
Nampisy lanja indray ny fianako(2).
Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fitiavana.
Nampahatsiahy, ny hadisoako,
Indrindra tamin’ny namonoako;
Fitia nitoetra tao am-poko(2).
Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fanantenana.
Na tsy fantatro aza ny androko
na fohy na lava dia ho andriko
Hiandrandrako ny masoandroko.
fa tojo anao aho ka dia mirana
--------
Rohy:
Hevitra
Opheliemacherie
(
19/02/2026 16:34)
Na mbola ho lava be ho andriko
Hiandrandrako ny fiainako. ==> asa na izahp no diso fihaino fa
"na fohy na lava dia ho andriko
hiandrandrako ny masoandroko
fa tojo anao aho ka dia mirana
Hiandrandrako ny fiainako. ==> asa na izahp no diso fihaino fa
"na fohy na lava dia ho andriko
hiandrandrako ny masoandroko
fa tojo anao aho ka dia mirana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BessaVangy : 17983
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 27/10/2001 23:10
