Hevitra momba an'i Tovo J'Hay

Hiverina amin'ny Tovo J'Hay Hampiditra hevitra
nyeja ( 17/10/2004 16:57)
faly miarahaba antsika mpankafy Tovo J'hay ny tenako, faly aho milaza aminareo fa ny hira AZA AVELA izay sanganasako dia hatao clip atsy ho atsy, dia ny hira NOFY LALINA moa dia efa hitatsika ataon'ny pazzapa miaraka amin'i TOVO izay sanganasan'i Ny Eja ihany koa.
mankafiza daholo an
bizoroka mamy be ho anareo rehetra

harindrano ( 26/09/2004 05:19)
Vao haingana no nifaneraserako taminy : rehefa mamaky ireny forum ireny aho, dia betsaka ny olona no miteny fa miavonavona izy. Gaga dia gaga anefa aho noho ny fandraisany ahy, olona tsotra be izy, izay angamba no azo hamehezana ny toetrany
hervo1 ( 13/09/2004 22:21)
Vao naheno fotsiny hira vitsivitsin'i tovo j'hay aho tato dia tena tsy afa-miala intsony fa tsy maintsy mandefa foana isan'andro .
izany aza mbola betsaka ihany ny sasany mety mbola tsy fantatro amin'ny hirany fa ny hatramin'izao dia tena finaritra tanteraka ny sofina mihaino azy e! hafa mihitsy ny rythme n'ileiry satria ohatran'ny tsy dia mbola mahazatra amin'ny mpanankanto gasy ny karazan'ny mozikany , unique en son genre...
izaho koa dia mahatoky fa haharitra amin'io sehatry ny hira io izy e ! satria matotra sy ao tsara ny fomba fiasany hira .
mirary soa azy sy ny carrière-ny no sady mankafy foana ny zava-kanto vitany ! ka na sanatria aza tsy manohy intsony izy dia mbola hankafizina foana izay efa heno teo , ary mbola hijanona ho parmi les grands de mada foana leiry e !
1 fan
tapana ( 08/09/2004 12:53)
Tena mpankafy fatratra isan'andro tsy maintsy mihaino Tovo na mijery k7 vidéo , raha vao mande @ télé dia mijanona daholo ny zavatra rehetra , azo lazaina fa tena adala mihitsy tsy maninona raha izay no mahalaza azy , tsra be ny hirany , izy koa mahafinaritra , Tovo azo lazaina fa manana ny fahamatorany eo @ zava-kanto, tsara be ny ezaka fa tohizo, mahay koa lay mpanoratra ny hirany , tovolahy jejojejo izay , kanto raha jerena, mambabo raha miteny, misaotra ny mpankafy azy rehetra fa tena manana isika manana azy tsy manampaharoa ny kanto zohiny tsy haiko fa tena "TIA T'KOA"ny spectacle anisan'ny tena nankafizin'nyb maro tokoa ny t@ looko dosol 2004 ny 06 jona lasa teo sady fetin'ny mama koa t@ io , in'efatra izy no nisolo akanjo , hira teo @ 30 teo no nataony niahrahany t@ Joely , Vola sy Njaka natombony t@ "tia t'koa ary nofaranany t@ io ihany , tena tsara an!
RABEGASY ( 08/07/2004 13:17)
Izaho alo dia tena mpakafy tantareka an'i TOVO J'HAY e! tamin'izy vao nanomboka nalaza mihitsy dia izaho no efa nahay ny hirany iray manontolo, hatramin'izay anefa i Ra-TOVO J'HAY dia mbola in-3 fotsiny no tonga taty Mahajanga. Tsy fantatro anefa ny antony tsy hanaovany spectacle aty. Taty aoriana dia nanomboka tafiditra daholo ny olona rahetra. Rehefa nanao analyse kely aho dia tena ankafizin'ny olona eto Mahajanga izy. Koa aza matahotra fa hanohana anao foana ny tanora rehetra eto Mahajanga
tsoa ( 08/07/2004 09:25)
ce gars c'est la star de cette génération! il est fait pour durer! Même si je suis loin de Mada, je ne rate aucun de ses concerts et de ses albums! alors quand il est venu ici, je suis accourue le voir, tout simplement!
Continues comme ça, tu es le meilleur Tovo J'Hay! et reviens vite nou voir ici en france!
rderas ( 23/06/2004 11:07)
Tovoj'hay isany mpihira hankafiziko mintsy! Fa ny saingy nampalahelo ahy dia izy manana demi frère atao hoe Rivo zanaky ny dadany tamin'olonkafa nefa tsy raharahindry zareo na tsy fantatr'i Tovoj'hay akory aza ny fisiany! any ambanivohitra andrefan'Antananarivo any io zokiny lahy io! Mba jereo ihany ny zokinao fa misy ra mikorina aminao mikoriana any!
A+
mihanta ( 06/06/2004 08:25)
anisan'ny mpihira azo lazaina fa manana ny lazany.miavaka foana ny feony refa mihira izy.sendra nanao vakansy tany mada aho dia nahita ny concert-ny,fa tena tsy afaka ato an-tsaiko,sarotra adinoina.na ny tonony na ny feony mambabo daholo.mba ampitampitao sy lazalazao raha mba manana ny hirany vaovao ianareo.
mihanta,mpankafy an'i tovo j'hay.
pissou ( 25/05/2004 12:54)
efa namoaka album vaovao ndray ilery. sady milay be le hoe tia tkoa! sady io koa ny lohatenin'ilay album raha tsy diso aho. hanao concert ilery ato ho ato.
Missie ( 30/03/2004 19:28)
Trop bien je kiffe C morceaux,
Ny hirany rehetra milay doly
Teny mamy
Lazao azy
Te mba ho eny
Hainy atao
Tia tokao
Tous les chants trop bien
Dedicace anreo rehetra mpankafy
Manjaka ( 06/03/2004 18:03)
Tovo J'Hay dia zanaky ny dokoteranay tamin'ny izahay mbola kely. Ka eo amin'ny tokotanindry zareo tamin'izany no nisy ny seza fiandrasana. Tsotra ny zavatra tadidiko: rehefa mankao amin'ny dadany dia mitsindrona foana. Izaho dia natahotra tsindrona tokoa. Ka rehefa mankany tamin'izany dia sady efa vizaky ny aretina ihany no mangovitra koa satria hitsindrona indray...Ary ho fanampin'izany i lery (Tovo io) mivezivezy sy mitendritendry zava-maneno ao an-tranony ao. Nefa izany tsy misakana anay tsy ho tia azy. Tohizo lesy dada à! Mpankafy iray.
nyeja ( 17/02/2004 04:57)
tovo J'hay ; raha ny momba azy no resahako eto dia efa nifankalala izahay fony mbola mpianatra izy sady mpihira tao amin'ny groupe maxi, nahafinaritrany fifankahalalana ary efa mpanoratra aho saingy mbola tsy nanana hira sahaza ho azy tamin'izany,
Samy mpanakanto moa ka dia nifanerasera matetika ary tsy lavina fa misy ny rohimpihavanana nanamafy ny fifankazahoanay.
Taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hitondra ny mozika tiany i tovo ka nandeha irery namoaka ny album satry foana izay nahitana fahombiazana , tao aorian'izay dia nanomboka hitako fa sahaza azy ny hira miventy fitiavana satria tsy dia nanana hira momba io firy izy ka dia natolotro azy ny "teny Mamy" izay tononkalo noforoniko ny volana jiona 2002 ; indray harivariva tokony tamin'ny 5hariva no nanomezako azy io hira io, vao novakiany dia tiany ary afaka adiny 2monja dia tafavoakany ilay hira (izany ka artista) !
nomeny ahy ny ampitso ka tena faly tokoa aho satria tena nankasitrahako ny nanaovany azy
nolazainy tamiko fa nonofisiny aza izy nanao io hira io ary tena faly ny mpankafy (marina tokoa ve izany ?)
raha hilaza ny vaovao momba azy ary aho ,amin'ny maha mpanoratra ahy ny hirany dia: eny, misy ny vaovao, nanoratra hira vaovao ho azy ny tenako ary hatramin'izao aloha dia roa ny efa masaka ao; ny iray hiram-pivavahana , ary ny iray kosa dia hira miventy ny fitiavana ihany, izay efa nahalalana an'i Ny Eja hatramin'izay.mazotoa daholo ary ary Mankafiza hatrany hatrany.
( 28/11/2001 19:11)
Ses chansons issues de l'album SATRIA FOANA
-Naleoko izy ho any
-Ho avy any aho
-Lazao azy
-Teo foana
-Niandry
-Hainao atao
-Satry foana
-Mbola hafa
-Samy tia
-Ho ahy sy ho anao
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877