Ny Aleloia Anosisoa

Hampiditra sary Nampiditra Tôta
07/03/2003 17:19
Hiran'i Ny Aleloia Anosisoa 5 Jereo eto
Vangy : 1883
Mpankafy : 0 Ankafizo
NY ALELOIA dia antoko mpihira ao amin'ny FJKM Anosisoa Fitiavana. Niorina tany amin'ny taona 1966 tany ary maro ny tanora no efa nandalo tao amin'izany antoko mpihira izany. Ankehitriny dia efa nahavoaka raki-kira Vol.1 ny antoko mpihira izay nampitondraina ny lohateny hoe NY EO ANILANAO. Ny tanjona tiana ho tratrarina dia ny hitarika ny tanora amin'ny làlana tokony hizorany mba handovany ny fiainana mandrakizay izay efa nampanantenain'i Jesoa Kristy. Misokatra ho an'ny rehetra ny antoko mpihira ka izay te-hanatevin-daharana izany dia mamonjy ny fianaran-kira isakin'ny Sabotsy sy Alahady hariva amin'ny 3ora tolakandro ao amin'ny fiangonana FJKM Anosisoa Fitiavana na ao amin'ny Lycée Ambohimanarina. Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra

Hevitra momba an'i Ny Aleloia Anosisoa

Tôta (07/03/2003 22:19)

Hiran'i Ny Aleloia Anosisoa (5)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011