Mr Sayda (Misié Sayda)
03/11/2015 13:05
Les chansons de Mr Sayda (Misié Sayda) 67 Cliquer ici
Visites : 57733
Préférés : 14 J'aime
Plus d'info
Sayda no anaram-bositra fiantsoana ahy taty an-tanàna (Ampandrana – Bel Air) hatramin'ny faha-14 taonako. Namako iray no nametraka an'io ka tsy nikaroka lavitra intsony aho tamin’ny taona 2005 raha nanomboka nihira fa avy dia nampiasa io fiantsoana io. Notovanako hoe Misié kosa izy taty aoriana, izay midika hoe "ramose", ho marika fa efa nihalehibe taona aho ka nanaraka izay ihany koa ny fomba famoronako sangan'asa. Raha ny ao anaty kopia dia ANDRIANIFAHANANA RAZAFINTSALAMA Miandravola Rojotiana no anarako feno.Raha ny gadona tena voiziko dia ny "Roots" izay midika hoe “Faka”. Tsy manaraka loatra ny an'ireo jamaikanina, izay mivady betsaka amin’ny reggae, na marimarina kokoa ny Ska sy ny Rocksteady ; fa mirona kokoa amin’ny fitrandrahana ny ba gasy sy ny endrika zavakanto nentim-paharazana malagasy (jijy, hainteny, sôva,...) taty aoriana nefa izay nifanakaiky fitsatoka amin’ny “raggamuffin” jamaikanina.
ITY NO PEJY AHAFAHANTSIKA MIFANDRAY:
https://www.facebook.com/Mr-Sayda-Label-RLP-114334095302805/?fref=ts
Commentaires sur Mr Sayda (Misié Sayda)
ezekielmaharivo (28/12/2017 05:49)
zah maka anareo ô