Mr Sayda (Misié Sayda)

Nampiditra miandjah
03/11/2015 13:05
Hiran'i Mr Sayda (Misié Sayda) 64 Jereo eto
Vangy : 56871
Mpankafy : 14 Ankafizo
Sayda no anaram-bositra fiantsoana ahy taty an-tanàna (Ampandrana – Bel Air) hatramin'ny faha-14 taonako. Namako iray no nametraka an'io ka tsy nikaroka lavitra intsony aho tamin’ny taona 2005 raha nanomboka nihira fa avy dia nampiasa io fiantsoana io. Notovanako hoe Misié kosa izy taty aoriana, izay midika hoe "ramose", ho marika fa efa nihalehibe taona aho ka nanaraka izay ihany koa ny fomba famoronako sangan'asa. Raha ny ao anaty kopia dia ANDRIANIFAHANANA RAZAFINTSALAMA Miandravola Rojotiana no anarako feno.
Raha ny gadona tena voiziko dia ny "Roots" izay midika hoe “Faka”. Tsy manaraka loatra ny an'ireo jamaikanina, izay mivady betsaka amin’ny reggae, na marimarina kokoa ny Ska sy ny Rocksteady ; fa mirona kokoa amin’ny fitrandrahana ny ba gasy sy ny endrika zavakanto nentim-paharazana malagasy (jijy, hainteny, sôva,...) taty aoriana nefa izay nifanakaiky fitsatoka amin’ny “raggamuffin” jamaikanina.
ITY NO PEJY AHAFAHANTSIKA MIFANDRAY:
https://www.facebook.com/Mr-Sayda-Label-RLP-114334095302805/?fref=ts

Hevitra momba an'i Mr Sayda (Misié Sayda)

ezekielmaharivo (28/12/2017 05:49)
zah maka anareo ô

Hiran'i Mr Sayda (Misié Sayda) (64)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.043