Hevitra momba an'i Lolo sy ny tariny

Hiverina amin'ny Lolo sy ny tariny Hampiditra hevitra
rabenandro ( 04/10/2009 08:50)
Hitako daholo zany ireo hafatrareo reo ry zalahy a,hay ve tena mba misy namana ihany zay mpankafy LSNT satria nihevitra za fa vitsy ny mahalala ny hirandry zalahy talohabe,hay tena mbola misy mahafantatra tsara.Ny olana zao de le tena hira original-ndry zalahy t@1980 reny ,mbola ts namalana ry bebey t@zany fa mbola ao tsara ny feo ambony bé,satria ts mahafantatr'olona manana reny cassete reny miints aho.Zahay mantsy de tena mikalo ny hiran'i LSNT ,aty MANDROSEZA no misy anay,Mbandy 4dahy zay fa ny roalahy no tena mbola mivazo matetika h@zao.DE t@1991 tany zay no mihira LOLO foana isankariva,sady mola ts kivy fa manantena foana hoe mbola hoavy hanao concert aty dago ry zalahy indray andro any.Kanjo moa iny 1994 iny de tena faly be zay,na ry LSNT az faly loatra koa de ts voatendry tsara ntsny ny hira fa de entaninkafaliana toatra t@fampisehoana.
Ka ny mba reveko ry zalahy namana isany de mba ny hamoahantsika :zay mba manana ny rakimpeo cassette misy hirandry zalahy talohabe reny le mbola ts nivoaka Radio miints,sao mantsy tena hanjavona any fotsiny reny hira marobe reny.Ka mba manao antso avo za ny @zay,de misaotra mialoha indrindra!
adress mail-ko: "b_benandro@yahoo.fr"
rabenandro ( 04/10/2009 08:20)
drdhery ve mba manana rakimpeon-dry zalahy t@1982 reny e,za mantsy nanana ihany fa tena ratsy be le son de mikasaosaoka be.
oza ( 15/02/2008 10:04)
za manana ny hiran'i LSNT marobe. Ary noheveriko fa efa ananako daholo mihintsy izy rehetra. Eto anefa aho dia mahatsapa fa marobe no mbola tsy ananako ary mbola tsy henoko mihintsy. koa RAHA MBA MISY AFAKA HANAMPY AHY AMIN'IZANY dia indro omeko etsy ambany ny adress mail-ko. Ny tiako atao izany de hoe andefasanareo ireto hira ireto aho
ikalanenifara,izy ane , tara,dimbaka kely ary gitara ho an'iha.
marobe tokoa ireo nefa mba efa maro noho izany koa no ato amiko.(eny fa na tsy izy rehetra aza)

Raha voararan'ny lalana moa izany dia atao akory moa. ho setrin'izany dia afaka manome hira ho anareo koa aho. izany dia tsy dia ity mail-ko: ozabog33@yahoo.fr
rigo ( 12/01/2008 13:48)
Efa ela be tokoa ireny hira ireny no sady tsy dia nalaza.Na izaho aza tsy mahatadidy integralement intsony.
drdahery ( 10/01/2008 07:16)
Toa misy an'io tokoa Rigo fa tsy tadidiko tsara satria tsy ananako ntsony le cassette misy azy io.
rigo ( 07/01/2008 18:42)
nikarokaroka ny fokonolona
Nikarokaroka raha be takina
Nikarokaroka ny ray sy reny aan!
Tany anaty ala mangina e!e!e!
No nahitana ny faty an!

Zany an!Zany an!
Vokatry ny fandehanana izany an!
Rovi-damba no nenti-maty e!e!e!
Mangidy any izany an!

Sa tsy tahatahak'izay moa ilay izy?
rigo ( 07/01/2008 18:38)
Tsy mbola misy hoe "nikarokaroka ny fokonolona;nikarokaroka raha be takina" ve io hira hoe Ikalanenifara io ry drdahery?
josy ( 18/12/2007 14:09)
Henonay aty Dago fa hanao spektka ao @ la capitole hony ry lerony @ io taona ho avy io fa mba oviana ny eto @ Tanàna fa efa sasa-miandry daholy ny boay kely?
rigo ( 29/11/2007 23:33)
Mankalaza doc Dahery an!Io mihintsy ilay izy.
drdahery ( 22/11/2007 16:07)
Nalefako ao le "izy anie" ry Rigo fa mety misy fahadisoana kely fa eo ry LSNT hanitsy azy raha toa ka mila fanitsiana fa efa ela tokoa no tsy naharenesana azy ireny, mampiditra hafa eo ihany aho rehefa mahatadidy. Zay aloha fa @ manaraka ndray e!
rigo ( 18/11/2007 15:37)
Dr Dahery ve manana ny tonon'ilay hira zanaka mpivaro-kena iny?Tsy tadidiko intsony fa misy hoe nikaoty an'i...aho,nangaringarika be taola-maso izy,nibeda an'i...saika niantsoany vonjeo,nikaoty an'i... aho izy voatokana ho an'ny lehilahy avy any andafy.Tahatahak'izay ilay tonon-kira fa efa ela dia tsy tadidy intsony.

Dia ilay iray indray resaka bandy avy nigadra dia hiverina hanarina ny fiainany fa efa tratran'ny prejugé dia tsy tafa intsony.Ilay tonony indray misy hoe nivoaka ny baoro nefa efa maty pasipaoro,nihezaka ny hisidina fa nanao lohan'angidina.Ohatrohatr'izay fa tsy tadidiko intsony koa.

Raha mba hainao rangahy dia mba ampidiro ato raha tsy mahadiso an!
drdahery ( 23/10/2007 17:07)
Ny tena mampiavaka ny LSNT dia izy no tarika anisan’ny voalohany nampiditra tamin’ny tononkirany ireo fiteninjatovo faheno andavanandro eny rehetra eny nefa nohevern’ny sasany ho tsy dia maotina loatra, hany ka mora azon’ny tanora tamin’ny fotoanndrony ny tononkirany ary koa mbola ankafizin’ny tanora ankehitriny koa. Ohatra maro no azo entina eto : Dimbaka, revy, bandy kely, vovo , py, soavaly vy, vohitsara, keta sy kodiny, nahitahita, kôzy, bôro, mitsakaraka, komando, monjy, bandy sy rola, tsahoina, kamarady, fikabe ets…ets… Tonga dia fantatrareo mpankafy hoe hira inona avy no misy an’ireo teny ireo.
Tsotra, mora tadidy ny hirany ary mbola azo itarafana ny zava-mitranga amin’izao vanimpotoana iainantsika izao. Efa voalazan’i Heriniaina, eo aloha io daholo ny ankabeazan’ny mikasika ny tarika, izay isaorana manokana eto ny fahaizany mikaroka ny tantara satria aoka ho tsaroana fa efa feno 30 taona katroka amin’ity taona 2007 ity anie ny LSNT e, fa saingy rizalahy moa tsy dia zatra manao jobily zany fa dia mitohy eny ihany ny revy. Mbola betsaka ireo hira tsy voalaza ato anatin’ny site : Revy maïky, rôpilany, izy anie (ka zanaka mpivaro-kena….), fahanterana, Ikalanenifara, Lakôpy, Tondraka ….sy ny maro hafa tsy voatanisa. Mba iangaviana an’I Lolo mba hamoaka feno azy ireny fa tahiry tsara ho fantatry ny Malagasy ireny. Dia mba miangavy ireo producteur matihanina mba hanafatra andrizareo aty an-tanindrazana fa dia ho tretrika tokoa ny mpankafy LSNT e.
ledada ( 29/01/2007 09:33)
Zanak'Androy no lohatenin'io hira io, fa noho ny antony ara-teknika , izay tsy niankina taminay, d novaina hoe androy ny hira vao nety tafiditra. miteny foana ny serveur oe efa ao anaty lisitra io hira nampidirinao io, nefa ts ao akory, raha mamerina mampioditra ny hira aho. d nitadiavana hevitra ka novaina ny lohateny! mazotoa mankafy daholo e!
ledada ( 27/12/2006 15:03)
teo @ faha16 taona teo(1994), nianatra tao @ lycée galliéni andohalo aho no nanomboka nahalala ny hiran'i LSNT. saika nahay nitendry avokoa mantsy ny mpiara-mianatra t@ izany, izay ts nahay nitendry nahay nihira ny tononkiran'i mahaleo+LSNT.gaga t@ zany nahafantatra hoe hay ka misy hira tahaka izany. anisan'ny hira tena nanaitra ahy indrindra ary tena ankafiziko ilay "RAVIN-JAVOKA". indro atolotro ao @ tonokira izany mba ho mariky ny fandraisana anjara e!
ho an'izay mahalala, za tao @ kilasy TC6 (tabataba lalandava), LAA, 94-95.(ekipan-dry Monn kely sy ry Badoda).
mazotoa mankafy ny ravin-javoka ary!
rigo ( 17/08/2004 21:40)
Ny kely azo hambara angamba dia ny fisaorana ny Lolo sy ny tariny amin'izay vitany rehetra.
Tsy nankalaza tena ianareo ary tsy nanao "marketing" nefa ny kaozy napetrakareo tsy lefin'ny taona.Tsy mila dokam-barotra betsaka ianareo nefa fahombiazana hatrany ny fampisehona ataonareo."CD" iray sy "k7" iray no novokarinareo nefa ny hiranareo tsy afaka am-bavan'ny maro.Kobonareo ilay fanala hidy hoe ny lamaody sy ny "vogue" mandalo fotsiny fa ny hafatra no mipetraka.
Heriniaina ( 21/10/2001 17:45)
Azo lazaina hoe isan'ny Tsangambaton'ny zavakanto Malagasy ny LOLO SY NY TARINY(hafohezintsika ho LSNT).Alohan'ny hanohizana ny resaka angamba dia tsaratsara kokoa ny mampahafantatra hoe iza avy izy ireo.
Nisy 10 mianadahy ny LSNT ka ireto avy izany:
-RAKOTOMANGA Angelo(Lolo),mpihira sy mpitendry Gitara sady lehiben'ny tarika.
-RAKOTOMANGA Mathurin Hubert(Bebey),mpihira saingy mitendry Gitara indraindray.
-RAKOTOMANGA Roland(Goda),mpikapoka Percussion ary mpilalao korintsana.Izy moa tato ho ato dia tsy dia hita tao amin'ny tarika intsony.
-RAKOTOMANGA Dina(lava),mpitendry Lokanga beso sy aponga maro anaka(batterie).
-RAFILIPOMANANA Erick Harisolofo(Erick MANANA),mpihira sy mpitendry Gitara.
-RABENIRAINY François(Benny),mpihira,mpitendry Gitara sy Clavier.
-RABENIRAINY Samuelson(Sammy),mpihira sy mpandidy lokanga.
-RAKOTOMALALA Andriamampianina(Passy),mpihira sy mpitendry valiha.
-RABETSARAZAKA Claude(Raplay),mpitendry Gitara beso.
-RANAIVO Hanitriniaina(Hanitra),mpihira,mitendry Gitara ary milalao Percussion.Araka ny resaka mandeha dia efa niala LSNT izy.
Marihina fa i Lolo,Bebey,Gôda ary Dina dia mpirahalahy.Toa izany koa i Benny sy Sammy.
Ara-tantara dia tamin'ny 1975 dia efa niaraka nihirahira teny i Lolo sy Bebey ary Erick.Tamin'io taona io koa no nanomboka namoronkira i Lolo (Lamasinina) saingy tamin'ny 1977 vao tena hoe matotra ny LSNT.
1977 koa no nanaovan'izy ireo fampisehona voalohany tao Antsahamanitra.Tsy dia nahazo olona anefa ry LSNT tamin'izany satria zara raha nisy...350 fmg ny tombombarotra azo.Nividianana limonady sy pain lasary dia lany hoy izy ireo.
Enim-bolana taty ahoriana anefa dia nisy fampisehona tao amin'ny Cinema KANTO(c.c esca),tomefy olona ilay fampisehona ary ny LSNT aza tsy nanampo hoe handeha hijery azy ireo olona be dia be nifanena taminy ho any Antanimena.
Nanomboka teo dia nisokatra amin'izay ny làlana.Nasain'i Tsilavina RALAINDIMBY tamin'ilay fandaharana "Vazonao levaly",fampisehona matetitetika tao amin'ny Kanto,Cinema Soa,Gallieni,Antsahamanitra,...,saingy azo lazaina hoe ny Cinema Kanto no Zaridainan'ny LSNT.
Tamin'ny 1979 dia nihira nandritra ny herinandro niaraka tamin'i Graeme ALLWRIGHT tao amin'ny C.C.A.C ry LSNT.Io no tena azo lazaina hoe "reconnaissance" ho azy ireo.Dia nanomboka amin'izay ny fitetezam-paritany Mahajanga,Toamasina,Fianarantsoa,...).
Ny faran'ny taona 1980 sy fiandohan'ny taona 1981 dia nasain'i Graeme ALLWRIGHT ho any andafy ny LSNT.Tamin'izay no nanatontosana ilay Kapila 33tour mitondra ny lohateny hoe "MANINONA".Tamin'izay koa no niarahany nihira tamin'i Graeme ALLWRIGHT tao amin'ny Palais des Glaces tamin'ny 12
Janvier 1981.
1982,tapa-kevitra ny hiorim-ponenana any andafy amin'izay ny LSNT.Fahadisoam-panantenana lalina no nahazo ny mpankafy teto antanindrazana satria nahatsiaro fahabangana lehibe.Tsy niverina teto Mcar intsony mantsy ry zareo raha tsy ny taona 1994.Tamin'io taona io no niarahany nihira
tamin'ny tarika Mahaleo tao Mahamasina ny Sabotsy 27 Août 1994.Tsarontsika tsara angamba iny MEGA CONCERT iny satria tsy nisy toa azy teo alohany na tato ahorianany.Iny no azo lazaina ho Woodstock ny Malagasy.
Tamin'ny 10 sy 11 Août 2000 indray ny LSNT vao nihira teto Mcar tao amin'ny Palais de Sport.
Ny tena nampisongadina sy nampihavaka ity tarika ity moa dia ny famoronany hira,indrindra fa ny tonony.Afa tokoa ny fanaovan'ny LSNT ny tononkirany satria tena hainy ny mitantara zavatra.Zavatra hiainanao andavanandro no
tantarainy aminao nefa tsy takatrao hoe kay ohatran'izany ny fomba fitantara azy.Izy no nahita ilay fomba hitenenana azy na dia niaraha-nahita aza ilay zavatra.
Misy ihany anefa ny sorena amin'ny fomba fitenin'ny LSNT satria tsy matotra hono no sady mivantambantana.Ary indraindray miteny ratsy mihintsy.Ilay hira
hoe "Dimbaka avy any Nazareta" moa dia nitarika resa-be mihintsy tamin'izany.Rehefa nanontanina i Lolo dia hoy izy hoe"tsy blasphème iny fa ny fahitako an'i Jesosy tamin'izaho mbola boay kely no navoakako".Momban'ny
"argot" indray dia tsotra ny fanazavany:Ny tanora no hiantefan'ny hafatray ka noho izany tsy maintsy miteny ny teniny izahay mba hifankahazon'ny resaka.
Nanana tanjona hitaiza ny olona koa ry LSNT ka izany no nahatonga ny tononkirany ho nivelatra tamin'ny lafimpiainana maro.Noresahiny daholo na ny Politika(Zimbo,Amin'ny anaran'ny tolona,Kôpaniako,...),na ny Sosialy(bo e!,Marie katisoa,hono ho aho,...),ny tantara(Mpanjaka
Antandroy,Benoro,...)ary koa ny fitiavana(Maninona,tablier manga,...).
Tamin'izany fotoana moa dia navaivay ny resaka fitovian-tsaranga sy ny fanjakan'ny madinika.Ry LSNT kosa na dia nihaino ny feon'ny mafy ady aza dia nitaiza ny olona hatrany.Nitaiza ny olona izy ireo hijery ny zava-misy fa
tsy hanonofinofy fotsiny.Ny olana rehetra teo amin'ny fiarahamonina tsy nisy tsy navoakany ankira. Ny fahantrana,ny tsy filaminana,ny tsy fahamarinana,ny
ditra,ny olana ara-pitiavana,ara-pitaizana,... Zavatra izay niainana andavanandro nefa modina tsy nojerena satria samy tsy misy tia ho tompon'andraikitra.Atsipinay ny hafatra hoy izy ireo dia hiaraha-mitady ny vahaolana satria olona 10 mianadahy tsy mahaova ny tany."Realiste" hatrany ry LSNT tamin'izay zavatra nataony.
Na ny hiram-pitiavany aza dia tsy mba nanao ilay antsoin'ny vazaha hoe "chanson eau de rose" izy fa ny zava-miseho ao anaty fitiavana no nasongadiny.Ny fitaka(Mpivahiny,Ravin-javoka,...),ny fahaverezan-kevitra(làlana mankaiza,omeo kafe,maninona,...), ny tsindrin-tsaranga ao anaty fitiavana(Any lavidavitra any,tady vita fato-maty,kely tsy mba niteny,...) sy ny maro hafa koa.Izany anefa tsy
nidika hoe tsy nanana ny toerany ny Fo tao amin'ny hiran'ny
LSNT(Zakaranda,Tablier manga,Rongony,Modia,...).Misentimaka ry LSNT fa tsy adinony ny hoe hatraiza ny fetran'ny nofinofy?
Dia izay angamba ny kely mba azo lazaina momba azy ireo.Ny antenaina dia ny mba hiverenan'ny LSNT mihira matetika satria mbola be ny hafatra tokony mbola hampitainy.Mbola be ny mangetaheta nefa ny Robinet toa efa efa nihidy.

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3041