Barry's

Nampiditra MsCorporation
16/12/2015 12:21
Hiran'i Barry's 20 Jereo eto
Vangy : 2267
Mpankafy : 1 Ankafizo
Mpihira evangelika

Hevitra momba an'i Barry's

hagamamytahiana2023 (09/01/2024 16:32)
Ny taona 2007 no nitsangana ny tarika Barry's rehefa niala ny tarika Les Adelines izy ireo. Mamy Andria no mpanangana ny tarika Barry's izay nisy an'i Barry's, Rina, Tojo ary ny tenany tamin'izany. Raki-kira 3 no efa novokarina tao anatin'izay fotoana nijoroan'ny tarika sy nahateo an'i Barry's izay, tany am-piandohana dia ny Groupe J.M.D no niara-niasa tamin'ny tarika teo amin'ny lafin'ny sora-dihy. Fa avy eo taty aoriana dia tsy afaka naka mpandihy intsony izy ireo noho ny asa sy ny tokantrano ka dia nanapa-kevitra i Mamy Andria sy Barry's ny haka mpandihy ao anatin'ny tarika. Efatra mirahavavy izy ireo no mpandihy ao anatin'ny tarika : misy an'i Sandriela, Andrianina, Mihoby ary i Narindra. 95% ny hiran'ny tarika izay noforonin'i Mamy Andria fa anisan'ny tena miara-miasa eo amin'ny famoronana ihany koa i Sam Andrianantenaina izay namana miara-miasa akaiky amin'ny tarika Barry's. Ny taona 2018 no nodimandry i Barry's dia mbola nanohy ny asa fitoriana ny filazantsara an-kira ny tarika ka nisy ny fampidirana mpikambana vaovao dia i Julbatch izay namana efa mpiaraka manao fitoriana teny ihany fa mpikambana raikitra ihany koa amin'izao fotoana izao. 12 mianadahy izy ireo no mpikambana ao anatin'ny tarika izany hoe 4 no isan'ny mpikambana vaovao ao anatin'ny tarika Barry's, izay 3 lahy izy ireo no mpihira (Julbatch - Mamy Andria - Toky), ary izy 4 mirahavavy izay voalaza tetsy ambony no mpandihy ary i Misa Raz kosa no miara-miasa eo amin'ny lafin'ny teknika. Noho ny onjam-piainana dia lasa any ivelany i Rina, tsy hoe niala tao amin'ny tarika akory i Rina fa mbola ao amin'ny tarika Barry's ihany, ary hatramin'izao marihina fa i Rina dia mpikambana feno ao anatin'ny tarika Barry's na dia any aza. Faritra maro manerana an'i Madagasikara no efa nanaovana asa fitoriana tao anatin'izay 6 taona nahalasana an'i Barry's izay sy nisian'ilay tarika Barry's amin'ny endriny vaovao. Ao anatin'ny famoahana ny raki-kira faha-4 na ny "4ème album" ny tarika Barry's, misy ny efa vita horonan-tsary ny sasany ao anatin'izany ny "Tsy mendrika Aho" ary efa mandeha eny amin'ny haino aman-jery rehetra eny. Raha misy fiaraha-miasa tianao hatao amin'ny tarika dia ny laharana 034 64 560 13 (telma) na ny 033 40 629 43 (airtel), ny fandaharam-potoanan'ny tarika dia ho lazaina miandalana eto ihany.

Notsongaina tao amin'ny gazety Ngah tamin'ny alatsinainy 05 oktobra 2020, nosoratan'i Hary-njaka

Hiran'i Barry's (20)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099