Ny fiainako (VICTOR SY NINAH)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainako, nandositra tsy hita akory ireny fa nandalo tsy hay antsoina, Ny taonako, dia nolaniako tamin'ny hadalana maro, sy nolotoiko
oh, ny hatanorako, feno ditra analintrisa tsy voaisa
oh indrisy efa saika very aho namoy fo vao nahatsapa fa:
hay ve lavitra anao aho, hay tsy nahalala anao aho
hay ve lavitra anao aho, hay tsy nitia anao aho (x2)
Misaotra anao fa na dia lavitra sy takona aza aho
Dia notadiavinao tanaty haizina izay nisy ahy
Na dia mpanota matimatin'ny fiainana taloha
Dia nofohazinao nantsoinao mba hifoha.
Taloha dia, ny hirahiran'ny fitia no nokaloiko, nameno fo
F'izao dia he, ny fiderana anao no tiako sy lalaiko
Henoy jeso, oh fa na mande anaty lohasaha mangina aza tsy atahotra aho
Satria ao anatiko ao, ao am-poko ao
Ao koa de misy anao
Hay mbola tinao ihany ao, hay azo novonjena aho
Na dia lavitra anao, na tsy nahalala anao aho (x2)
Misaotra anao fa na dia lavitra sy takona aza aho
Dia notadiavinao tanaty haizina izay nisy ahy
Na dia mpanota matimatin'ny fiainana taloha
Dia nofohazinao nantsoinao mba hifoha.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : VICTOR SY NINAHVangy : 1461
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jegergassisk
Daty : 01/08/2016 11:55