You are here: home > Tononkira > VICTOR SY NINAH

Maranatha (VICTOR SY NINAH)

https://tononkira.serasera.org/hira/victor-sy-ninah/maranatha

MARANATHA

Izay andro izay, izay no andrasako
Hiverina ny Mpamonjiko
Ho hitako Izy hanatrika ahy, ny sadriny no hasampiny ahy
Ary ho entiny amin’zay toerany aho

Hatramin’izay dia sombintsombiny
Sombiny ihany no fantatro
F’amin’izay dia hambarany ahy ny zava-miafin’ny Fanahy
Honina eo anilany aho

Ny fanantenako e, tsy ho levona
Jesosiko iny tsy hamitaka ahy
Indro efa akaiky ny andro izay hamonjena ahy
Avia Jesosy ô Maranatha

He ny hafalTsiky dia ampyian’ny ho ampakarina
Rehefa injay ny Mpampakatra
Tontolo tsy fahita ety
Izay jeren’ny maso vaovao ery
Lasa tokoa ny zavatra taloha (ô hô!)

Ka ny fonenan’Andriamanitra
Indro vohany itoerako
Hifankahita amin’ny havako maty taloha fa voavonjy koa
Hiara-mitoetra amin’ilay Tompo soa

(In-3)
Ny fanantenako e, tsy ho levona
Jesosiko iny e, tsy hamitaka ahy
Indro efa akaiky ny andro izay hamonjena ahy
Avia Jesosy ô Maranatha

Avia Jesosy ö maranatha, maranatha (Fin)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VICTOR SY NINAH
Mpamaky : 6213
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : micarnaud1
Tamin'ny : 08/11/2006 07:26:40
ID : 4010

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo