Tsikitsiky menamenatra (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voninkazo iray nitsiry toa tsy nahafaly ahy
Fa mety halazo iny any aoriana any
Siokam-borokely iray toa tsy nampiherika ahy
Fa mbola hangina iny raha alina ny andro

Fa 'lay tsikinao menamenatra iny, tsy maty an-tsaiko ao,
Latsa-paka ao am-po, tandindona tsy mety handao
Sary iray tsy nankalao

F'hirifiry nampangovitra iny toa afo nanafana
Rehefa eo 'lay tsiky lasa tsy tana
Zava-tsoa tsy hay atakalo toa lasana nandalo
Fa ilay tsikinao ihany no mahatamana

Dia 'lay tsikinao menamenatra iny, tsy maty an-tsaiko ao,
Latsa-paka ao am-po, tandindona tsy mety handao
Sary iray tsy nankalao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 1274
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/09/2017 20:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1668