Mangina (Tarika Vintsy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangina ny foko toa zary tsy mino
tononkira.serasera.org Fitiavana lalina sarotra adino
Rahoviana ny tany no lavi-tomany
Izao ve no lahatra sy ilay mba hany?
Jereko ny vorona tony dia tony
Izaho eto ambany tsy afaka intsony
nzsxf Nankaiza ny andro fahiny ry any
Izao ve no sisa navelan’ny tany?
Refrain: Mangina mangina ny foko e!
Nahoana no dia mitoloko e!
Ndrao ho rava tanora izany amiko zany a!
Ny tiana indrisy efa dila e!
cpfs Fitiavana lahy mitanila e!
Ekena mangidy ary koa tena mamy a!
Tonony sy Feony: Ratiana Randria
Nomerao: 0347215639
Tarika Vintsy: voml
Faha 06 Aprily taona 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tarika VintsyVangy : 1918
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : randrianandrasana
Daty : 15/04/2019 11:54
