Neny ianao (Steph Rambi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fotoana aho miantso matetika ny anaranaoAnarana tiako izay miverimberina ao ambavako ao
Neny, mama, azo antsoina koa hoe reny malala
Izay niantsoako anao ato anatin’izao hira izao
Neny ianao, ilay taratr’ hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako
Maro ireo bedy, bedy kely nanitsianao ahy hatramizay
Ao koa ireo pejy nosoratanao hotsaroako rahatrizay
Niady mafy ianao hisandratan’ilay zanaka adala
Valaka ianao, dia mbola antsoinao hoe zanakao malala
Neny ianao, fitiavana
Nanome tsisy tambiny
Neny ianao, ilay namana
Zaraiko ilay tsiambaratelony
Niezaka foana ianao hanohana ahy
Mety nihafy noana, hanomezana ahy
Nefa ny fotoana dia mandalo
Dieny mbola mihaona atolotro anao izao hira izao
Neny ianao, ilay taratr’ hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Steph RambiVangy : 4082
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/04/2019 11:19