Anjaran'olon-kafa (Staray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa sambatra eny an-tratran'olon-kafa ianao iny
Tadidio ilay ranomasoko nirotsaka fahiny
Fa niova fifaliana
F'ianao iny tsy anjarako
Raha tonga ny andro volamena, tadidio ny anarako
Aza malahelo fa tantara efa nivalona
Ny hoe mandidy lahatra tsy anjaran'olombelona
Efa eny ianao no sambatra ka tso-drano no atolotro
Enga anie mba fifaliana no hahatsiarovanao ny molotro
Indray andro any mbola hihaona tsika roa
Dia tsiky iray ho hampitamberina ireo vitako taloha
Izay nofy efa nifono tsara anefa tsy niverina
Ny fonao izay nitempo tany an-kafa no nitoerany
Tia aho fa tsy tianao, ny anjara dia mangina
Fa ny hahita anao ho sambatra anie mbola fifaliana
Tsy tompon-toerana fa nindrana ny fonao
Tsy afaka ny handidy sy ny hametra izay mba te ho ao

Ref :
Raha tsy anjarako ianao iny
Dia anjaran'olonkafa
Ka ny sisa azo atao
Dia ny misaotra anao
Nahafoy ny amiko

Eny tsy ho adinoko ianao
Tsy ho voafafa velively
Izay natolotrao mba ho ahy
Dia ho tehiriziko na kely
Mankasitraka fa faly 'zah raha faly ianao
Tsapako tokoa fa izy kay no anjaranao
Matoa ianao nisintaka nilaza tsy tamana
Ka iriko nareo roa no hitako amin'ny fanasàna
Mahaleova mahalasàna, amin'ny fo ny ahy ny tso-drano
Tsy hiantso tody aho fa hiteny hoe mahorena tokantrano
Manganohano, anjara fa tsy lahatra
Tsy halahelo aho fa ny Tompo no mandahatra
Raha mandatsa, ny latsa hampitomany
Tadidio fa efa nitia aho ka tsy manadino izany
Na dia nisaraka, eny e, 'zah tsy mino
ireo sary izay natolotro, aza ariana fa ampirimo
Ataovy fahatsiarovana, indray andro ho hitanao
Amin'izay ho tsapanao io no tena tia anao

Na tsy anjarako ianao iny
Dia anjaran'olonkafa
Ka ny sisa azo atao
Dia ny misaotra anao
Nahafoy ny amiko (x2)

Nahafoy ny amiko (x2)

Atolotro ho an'ireo izay nandatsa-dranomaso fahiny nohon'ny amiko ireny
Love story
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Staray
Vangy : 919
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nohisoa
Daty : 27/05/2022 19:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4238