Tsy Sitrapony (Rootsikalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hontsa ery ity foko
Raha nahita sy nahatazana
Ity ramatoa be manjoko, mandry eny antsisindalana izy
Tsy mba manana tafo na hidimbaravana
Ra-Tsy manankialofana moa, izay no mba solon'anarany, enyi
Ka ho tsiny ho azy kosa ve?
Raha eo anoloanao no atsotrany ny tanany
Mangataka miangavy madama ô ramose
Izay no hany sisa isasarany


Refrain :
Tsy hoe sitrapony,
Na sanatrian'izany, hey hey hey
Tsiny avy any ambony,
Raha eny andalana izy no matory,
Na koa tsy manan-kialofana ankoatry ny gony

Mahaiza mba manome , eny mba manome
Aza mba manao tsifoifoy
Mahaiza mba manome, eny mba manome
Tolory azy hoa izay vokatry ny fo


Anyii, Zay no tsy afaka ambavany tsy misy fiafarany,
Eny omeo, eny re mba miangavy lahy
Tsy sitrany firy anie zany fa noho ny anoanany
Ka aza sorena na koa hoe anilika azy
Izay mba foy re omena
Eny mba ho ataony kalikaly
Tsy mba bolongan-karena anie sanatrian'izany
Fa zay mba vokatry ny fon'ny tena, Dia ampy hamalifaly

Refrain :
Tsy hoe sitrapony,
Na sanatrian'izany, hey hey yeah
Tsiny avy any ambony,
Raha eny andalana izy no matory,
Na koa tsy manan-kialofana ankoatry ny gony

Mahaiza mba manome, Eny mba manome
Aza mba manao tsifoifoy
Mahaiza mba manome, Eny mba manome
Tolory azy hoa izay vokatry ny fo


Eny dia nahoana, eny dia nahoana
No tsy mba miantra ireo izay noana
Eny tsy mba ontsa ve ny fontsika mahita azy mangataka
Ireto zaza tsy manan-tsiny, miandry mitsindroka an'izay latsakareo
Manàna fo madio oo
Olombelona mitovy anao reo, izay hoa no tadidio
Manomeza na dia tsy erany, Valin'io tsisy fetrany
Volanao anie ka manam-petra

Refrain :
Tsy hoe sitrapony,
Na sanatrian'izany, ou hou
Tsiny avy any ambony,
Raha eny andalana izy no matory, izyii
Na koa tsy manan-kialofana ankoatry ny gony

Mahaiza mba manome, Eny mba manome,
Aza mba manao tsifoifoy
Mahaiza mba manome, Eny mba manome,
Tolory azy hoa zay vokatry ny fo

Mahaiza mba manome
Eny mba manome,
Aiza ianao io
Mahaiza mba manome
Eny mba manome,
Mahaiiza
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rootsikalo
Vangy : 3481
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Lacky
Daty : 30/01/2018 16:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848