Tsy Tandrify (Rootsikalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-couple
ohatrany tantara rehetra, teny tsara fiandoha
vao ny fankalala dia nifametra, satria nifankahazo am-po
fa tsy! Hifanary, na ovina na ovina,
satria, moa! Fitia mifamaly ka izay tsy feno ifanampina.
Tsy haiko iany koa ianao raha mba mahatadidy,
ny fitoana ifanaovantsika isan-kariva.
Rehefa ialay masoandro, andeha ody malamalana iny,
ianao manafana ahy, raha sendra mangatsika.
Sarotra @ko! Marina ny anadino, eny oa! Nefa tsy maintsy!
Te iteny föna aho heo, eo moa izaho mbola fihino nefa tsisy fika intsony fa efa taraiky.
Anao ahy!
Eh eh ay, an an, enyiii!!
Ref:
tsy anjara tokoa ngamba na koa tsy tandrify,
aleo mits mifampitso-drano samia mibanjina ny ampitso.
Ny omaly aza avela ifoha, fa efa lasa efa dify!
Aza manahy, fa mirary soa tsisy tsiny tsisy diso!
2-couple
fiainana tokoa ve, mitratrevatreva sa aona?
Fa ireo ezaka nataotsika, teo aloha toa sasa-pöna,
noho ny asa aman-draharaha moa, dia mahalana tsika no miaona!
Ny elanelana misy ity koa, tsy laitra fa manao ny ataony.
Lasa tsy matetika intsony avy eo ireo antso, nifanaovantsika.
Nihezaka ery izaho, mba namerina izany tatoato,
nefa ianao rehefa mamaly dia masitsika.
Tampoka teo koa moa, ianao niova ho fo vato
milaza, fa aleo hilamina ny amitsika.
Eny ary, mirary soa anao @foko zato isan-jato
ho tojo ny tsara, enganie ahita.
Ref: ii
3-couple
fotoana fohy tsy ela, taty aorina
tsika nifanena fa ianao sendra varina,
ny any sisa fahendrena, dia naleoko nangina
na dia ranomaso tsy hay fefena be aza no nikirina.
Tsy sitrapoko nefa zany, tsy fanahiny,
tsy haiko alaelo tafahoatra ve,
sa noho iny olona iny olona iny.
Nanomboka teo nahatsahatro ireo fotoana mamy tiko ho tadidina
tsy anjara tokoa ngamba ny antsika, ka ny tsiaro anao sisa no fadiny
eh ehe he ay, tsy anjaaara oh o eny
eny oa tsy anjara angamba eny, tsy tandrify iany koa, ao eny
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rootsikalo
Hits : 3893
Likes : 1 Like
Created by : tool rak
Date : 19/05/2021 16:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734