Tsio-Drivotra (Rootsikalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro:
Yeah... Yah Ho enonao any io wedy eeeee,
Hummm humm hummm... Hummmm

Fahano ny rotsirotsim-peonao ny ritsoky ny foko sao dia ee, ho faty mosary
Ampindramo! Ny tsikinao ny nofiko oa, mba ho ataoko fandoko,
Fa tato ato manko ny eritreritro ny endrikao no ataony sary!
Tsaroako, ohatran’ny hoe fohin’ny vao omaly, (iay eny)!!
Isika roa ry kala nifanena teny ambaninà tranom-boky,
Ny marimarina kokoa ngamba teny ambanin’ny arikady.
Niarahaba, nanontany fahasalamana aho!
Ary am-pitsikiana moa ianao tamin’izay raha toa namaly, fa,
Inty no mba nahagaga, ary anisan’ny tsy nahazatra ahy,
Ny fitempon’ny foko tamin’izay nihazakazaka mafy!
Nisy teny saika ho ambara, nefa ianao moa oa tsy tàna
Fa nitodika, dia sady lasa ihany,
Kanjo voambolana lasa sakaizan’ny vava
Ny mandrampiaona, mampamangy
Ry andriam-bavilanitry ny zazavavy!


Refrain:
Tsio-drivotra no entiko anembonana andry,
Indrindra rehefa hariva mena loko iny,
No manoroka ao an-damosin’ny trano avon’ny C.A.I yah oe neee…mmmhh…
Ilefitra, ary iala sasatra ny andro, hodimbiasin’ny alina anie!
Matetika izaho moa no mitoetra irery, eo amin’ny seza vato
Lasalasa saina lalina!


Tsy mba famafa an-tsaina izy fa endrika mendrika
ary mambabo izy raha hoe hatsarana,
Masoandron’ny lohataona, mitara-bolamena, maraindraina ny tanànako
Mandravaka azy anaty hazavana,
Eto ianao tsy maintsy ilaza, fa izaho ve mitapy
Fa tiako kokoa raha hoy izy ndry hoe adalana, satriko,
nefa ho sitrakao ve ny ho mpanjaka vaviko
Rehefa izaho izay no hanorina fanjakana!
Ka ho Rovanao ny foko izay mba lapakely ao anatiko
Ianao no mpandidy, mpanapaka ary no tompom-pahefana
Eny e…mihaiky aho fa mba be nofinofy,
Fa izaho manko tsy hiova ho mpanjaka tsara toy ndri-Radama, nefa!
Inty ry kala no mba tsarovy, fa amiko ianao na oviana na oviana
Ianao irery ihany no mpanjaka vavin’ny hatsarana


Refrain:
Tsio-drivotra no entiko anembonana andry
Indrindra rehefa hariva mena loko iny,
No manoroka ao an-damosin’ny trano avon’ny C.A.I yah oe neee…mmmhh…
Ilefitra ary iala sasatra ny andro hodimbiasin’ny alina anie!
Matetika izaho moa no mitoetra irery eo amin’ny seza vato,
Lasalasa saina lalina!


Oso-doko tsara loko ao an-tsaiko!
Ka tsy eritreritra anao fotoana fohy, sehatra iray mbola ho sarotra,
Misy gobom-po izay tsy mba mety ho voabaiko, manao lamako,
Nefa ianao amin’izany mbola tazako avy lavitra,
Eny!!
Kanto famindra, raha ianao angamba no mozika
Dia ianao no gadona tena tsara indrindra
Tsotsotra no sady saridrika,
Miampy ny lemipaikan’ny tavanao tsy mahafoy tsikitsiky, ih ii
Ny fijerinao koa moa amin’izany malefadefaka!
Ireo mitambatra no mahatonga ahy rehefa hariva maty masoandro,
Dia eo amin’io seza vato io izaho no mipetrapetraka,
Ilay seza vasoka, efa rotiky ny fotoana, jereo anie izato izy raha tsy efa mitresatresaka,
Abakabaka no mba namako rehefa eo
Indrindra rehefa ny arivany no indramiko,
Dia ianao no ataonay mitsamy firesadresaka


Refrain:
Tsio-drivotra no entiko anembonana andry,
Indrindra rehefa hariva mena loko iny,
No manoroka ao an-damosin’ny trano avon’ny C.A.I yah oe neee…mmmhh…
Ilefitra, ary iala sasatra ny andro hodimbiasin’ny alina anie!
Matetika izaho moa no mitoetra irery eo amin’ny seza vato
Lasalasa saina lalina!

Outro: Yeah bado eny ieh ieeeheeehhhhh!!!! Mmmmm mmmm mm mmm
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rootsikalo
Vangy : 12724
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : Lacky
Daty : 25/01/2018 14:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723