Ialao bala (Ramimi (les Rafrà))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Samborina ny eritreritra, sakanana koa,tsy avela ho lasa lavitra aloha
Sao mamingana ka mila ahavaky ny fo,ka hikorontana ary ny loha

Tsy hanaiky hoa aho, n'inon'inona manadala ahy,
Ny fitapitaky ny fandrosoana, ialao bala dia manaraha ahy.

Aoka ny andro anio, hokajiana tsy hampijaly, hatsaraina ihany koa ny omaly
Ny ampitso dia irina tsy ho toy ny androany, f'izay any aoriana dia aoka aloha hoany

Tsy hanaiky hoa aho....

Atrakao ny loha dia alamino ny saina , aoka ny molotrao mba tsy ho maina
Raha sanatria aza moa, tsy tojo izay nantenaina, aoka kely hoa mba tsy hangaina

Tsy hanaiky hoa aho...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramimi (les Rafrà)
Vangy : 1428
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dahfara
Daty : 14/06/2017 07:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782