Hafatra (RABL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HAFATRA

   Tamin'ny andro vaonalohany aho
Mbola tena nilalao
Tsy nanana fitiavana anao
Fa dia niaraka tsotr'izao
   Lasa ihany ny volana sy taona
Tsy nifandao isika
Asa, zatra angaha ity foko noana
Mijery anao misariaka

  Tamin'ny andro nisarahana iny
No nahatsapako anatiko ao
Fa diso ny eritreritro fahiny
Hay aho tena tia anao
   Saingy fony ianao anilako eo
Tsy haiko ny namoaka izany
Lasa ianao nifindra lasy teo
Izay ny foko vao tomany

   Ry tanorakely ankehitriny
Izao no hafatro aminao
ARARAOTY DIENY MBOLA TIA
Avoahy koa ny fitiavanao
   Sao dia ho tara ka hanenina
Rehefa lasa izy nandao
Soloiny ianao, soloiny vaovao
TIA BE AZY NO HO IANAO

   Izy mety tsy hifidy intsony
F'izay tia azy no jereny
Hampionona hiadanan'ny fony
Na ratsy be ary io ekeny
  Eo ianao vao hanontany tena
Fa dia nahoana loatra?
Fony izy teo, ny fonao no jambena
Tsy nahay nanararaotra

RABL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABL
Vangy : 666
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ravakiniaina.
Daty : 29/01/2022 16:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779