Angano (RABL)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ty misy angano nataonay vazoHo tantaraina anareo eto izao
Nefa tandremo fa tena maro
Ny zava-miafina anatiny ao
Henoy anie fa maneno be
Ty tovolahy zay tena mampiomehy
Fa hoe kotratr'aina tena sisy antenaina
Sady tsisy saina
Hoy izy hoe: nahoana re
Zahay tanora no toa tsisy sandry
Ny gabari mahia dia mahia
Ny vovok' aina tsy mahatsoka landy
Ny ray aman- dreny no mahazo teny
Fa tsy ampy hoe ny kaly omen'azy isan' andro
Tsy ampy ny akanjo, ny cadeau sy ny voanjo
Malaina izy ny hody atoandro
Nefa na izay ity tovolahy
Tsy mianatra aleony miala pà
Manao fotoana, manao fotoana foana
Amin' ireo sakaiza tsy ahoana tsy ahoana
Manao karatra dia mangalatra
Zay no mba tiany ho masaka ao an-tsainy
Dia aveo dia ny rainy indray no gidragidrainy
Rehefa tsy ampy ny ilainy
Ny ety ambany ety, lanin'ny pi
Ny ravin- droa aza efa tsisy intsony
Ny pataloha no atao ngeza be
Mba hanafenana ny hakelin'ny fe
Ny sandry amizany, toa tao- bary
Tsisy ho jerena fa mihena dia mihena
Sady miari- tory no mifoka rongony
'Zany ve no fialam- boly ??
Fa maninona lah raha mikotrana
Mihazakazaka mibata poids
Fa maninona lah raha mba mianatra
Mamonjy sekoly maka fahaizana
Fa tsy ireo ray aman- dreny
no omen' ialahy teny
Nefa izy ireo aza efa antitra
Ny revy anie lesy tsy mety ho tapitra
Fa mba jereo ny ho avin' lah
Fa maninona lah mba raha mikotrana
Mihazakazaka mibata poids
Fa maninona lah raha mba mianatra
Mamonjy sekoly maka fahaizana
Fa tsy ny ray aman- dreny
no omen' ialahy teny
Nefa izy ireo aza efa antitra
Ny revy anie lesy tsy mety ho tapitra
Fa mba jereo ny ho avin' lah
Ka sao hanenenana
--------
Rohy: