MAMA (RABL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Vao nikimpy ianao mama
Dia tsy nihiratra intsony
Tsy hita ho nialana nenina
Tsy afa-nanao veloma akory

Eny, na tsy sitrakao...
Dia efa izay no lahatra
Nefa izahay tsy mino hatramin'izao
F'ianao tsy hody ao antrano

Ref: Fa ny fiverenanao
No mbola andrasanay
Ny torimasonao anie
Tsy ho mandrakizay
Mba mifohaza amin'izay
Fa sasa-miandry izahay
Rehefa tonga ianao mama...
Tsy ho kamboty intsony izahay
Fa afaka hiantso hoe MAMA indray


2- Enga anie Ianao Ray o!
Hitahy ny fanahiny
Ka hamaly ho hasambarana
Izay mafy nentiny tety

Raha ny fahatsiarovana
Tsy ho foana mandrakizay
Tsy ho voakosoky nyn fotoana
F'ianao dia mbola mamanay

Ref: Ka ny fiverenanao
No mbola andrasanay
Ny torimasonao anie
Tsy ho mandrakizay
Mba mifohaza amin'izay
Fa sasa-miandry izahay
Rehefa tonga ianao mama...
Tsy ho kamboty intsony izahay
Fa afaka hiantso hoe MAMA indray


Mama o! Mama o! Mama o!
Henonao ve ny antsonay?
Mama o! Mama o! Mama o!
Miverena modia amin'izay
Fa tena banga anao ny fiainanay
Mama o! Mama o! Mama o!
Henonao ve ny antsonay?
Mama o! Mama o! Mama o!
Miverena modia amin'izay
Fa tena banga anao ny fiainanay

RABL
--------
Rohy:
Hevitra
rakotoharifetrahaja ( 19/04/2021 10:25)
mitahiry fahatsiarovana ho ahy ty hira ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABL
Vangy : 985
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 17/03/2020 21:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747