Mpanompony Ianao (NY ANTSA MIDERA (NAM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MPANOMPONY IANAO
(Isa.41:9b-10)

Aza matahotra ianao,
Fa momba anao ny Tompo,
Ary aza miherikerika foana,
Fa Izy no Andriamanitrao
Izy tsy mahafoy anao

        Mpanompony ianao,
        Efa nodifiany ka tsy nariany
        Tsy mba nariany

Mampahery anao Izy
Sady mamonjy anao
Ary mitantana anao amin’ny
Tanana an-kavanan’ny
Fahamarinany Izy

        Mpanompony ianao,
        Efa nodifiany ka tsy nariany
        Tsy mba nariany

A/C : Rahaingomahefa Pascal
Mpihira : NY ANTSA MIDERA (NAM)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSA MIDERA (NAM)
Vangy : 47
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pascalrahaingo1
Daty : 21/04/2026 09:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0561