Vazo mampiray (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fisinareo dia hery ho ahy
Nampiaina ny fanahy
Hasambarana tokoa
Nanefy ny ato anatiko
Ny saina sy ny fo
Ireo tambitambinareo roa
  Nanasitrana ahy ny fisinao
  Namafy fiainam-baovao
  Mbola ts hitako hatrizay
  Nisinda koa ireo ahiahy
  Ka ny vazo mampiray
  Mbola hokaloina indray
Satriko ho eo foana ianareo
Tsy hiala, tsy hifandao
Hiarahana avokoa izay rehetra atao

Ref: Satrintsika ho eo mandrakizay
Tsapako fa tendrin'ilay Ray
Ny amintsika telo hatramin'izay
Izay alehanao, alehako
Izay marary anao, iaretako
Ka na anaty ora fitsapana
Ny vazontsika atao milay

Nanasitrana ahy fisinao....
Nisinda koa ireo ahiahy...
Ref 1: Satrintsika ho eo mandrakizay...

Satriko ho eo foana ianareo....

Ref 2 : Satrintsika ho eo mandrakizay
Tsapako fa tendrin'ilay Ray
Ny amintsika telo hatramin'izay
Misaotra anareo mpankafy
Nankahery, nanome fitia
Ka anaty ora fitsapana
Hitohy hatrany izany dia

Voix off: Et la route continue.....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Ainga
Visites : 211
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ramihaja08
Date : 29/10/2025 20:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413