Antalaha (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity hirako ity, soveniran’ny fitia
Ahatsiarovako ilay toerana nilaozako
O, manina anareo an-tany lavitra any
Antalaha tsy hadinoko mandrakizay
Any ho any andre jiaby, mbola tsara zaho aty
Ny hirahirako no sovenira apetrako
O, lavitr’olon-tiana e, ngôma mitomany
Antalaha tanana soa tsy ho hadinoiko

Manimanigny Antalaha zaho
Manigny Antalaha zaho
Manimanigny Antalaha zaho
Ngôma agny Antalaha zaho

Fa ny lasantsika ireny hitoetra ao am-ponao
Ny hirahirantsika, ny alina mangina …
Mahatsiaro anao zaho lavitra any
O, ngômangôma anao zaho de tomany
Ny habakabaka iny e, ny ranomasina iny e
Mampahatsiaro anao alavitra any
Ny volana baliaka e, ireo fiarahantsika e
Misy sarinao tsaroako hatrany …

Manimanigny Antalaha zaho
Manigny Antalaha zaho
Manimanigny Antalaha zaho
Ngôma agny Antalaha zaho

I OM-GUI tsy manadino, hihira ho anareo
Ny zava-bitany iny tsy voasolo intsony
Malahelo lava andre aty
Zaho tsy manadino fa mbola tia
Ny ambiance-tsika omaly e, any am-pianarana any e
Ahatsiarovanao ny anarako …
Veloma jiaby akao e, Ville-Basse sy Tanambao e !
Clara sy Rasta … ry Thérésia

Raha manembona ahy ianao, ny hirahirako hirao
Amoron-dranomasina io ‘lay fipetrahako
O, mandra-pihaona indray e, veloma any ho any
Iny sambo dify mianavaratra iny
Raha manembona ahy ianao,
Ny adiresiko tsy miova aty Iarivo

Manimanigny Antalaha zaho
Manigny Antalaha zaho
Manimanigny Antalaha zaho
Ngôma agny Antalaha zaho

Veloma jiaby andre agny
Samy tsara drako
ny akama bonne jiaby
Jerry Marcos, Msé Bryan,
Ra-John Skatemen sy ny RNA …
Andre mpianatro tsy foiko e …
E, anao ‘lay tiako e …
Béa-Boutique tsy hadino
Veloma, veloma drako
Atsika agny, atsika
a agny veloma, veloma drako …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 9631
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : fyhermia
Daty : 21/09/2013 12:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319