FATRA-PANKAFY (MIANGALY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
  tononkira.serasera.org   Raha fatra-pankafy ny tany ianao
    Tsy ho azonao ny lanitra
    Io rendrarendra izay tsy foinao io e !
    Mandalo, tsy maharitra
       Tsy miafina aminao sakaizako o !
       Tsy ilaozam-pahoriana ety
       Fa tsara ho fantatrao ry namako o!
       Ilay fifaliana am-paradisa ary
     Tena sambatra tokoa
     Izay tafiditra ao an-dapa soa
     Mipetraka eo anilan’ny Ray
     Fiadanana mandrakizay
       Fa tery ilay varavarana
       Hidirana ao an-danitra ao
afpcei       Kanefa aza kivy fa andao
       Hifampitantana mankao
       mevh    Mahaiza fotsiny ho’aho mifankatia
          Dia mankato ny Teniny
        ggaznr   Ampanjakao am-po Jesoa Kristy
          Dia mandrimandry ilay ary

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MIANGALY
Visites : 2855
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 08/08/2002 13:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.0542