MANIMANINA (MIANGALY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
E ! manimanina anie aho etySingan’olona toa very dia
Honjohonjoko izaho samirery
Ranomaso mijohy toa jorery
O ! Ifonako f’efa nandratra
Ny heloko saika namaka
Na rahoviana, na rahoviana aho mbola ety
Dia Ianao no itokiana ry Kristy
Ianao irery ihany no tokiko
Hanala ny sento sy rofiko
Hiaro amin’ny fakam-panahy
Henoy ny fivavako
Fa maina ny vavako
Miandrandra ny rano avy Aminao
Sitrano ny feriko
Ovay ny fijeriko
Hizotra hanara-dia Anao
MIANGALY
--------
Rohy: