Zara Karatra (Marius Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :

fa tsy nanana aho nomenao eh
vahaolana tsy hita hisa
fiaianana eto ko tsy paradisa fa
niadana aho ka mankasitraka

mbola mitsiky aho no noho ianao eh
misy  mitantana mba tsy ho very
sapanan-dalana maromaro
mitohy ny dia mba fenoy hery aho


1-

Maraina vao mangiran dratsy
zaho ilay miala ao ambovo
mivimbina siny anaty hatsiaka amin'ilay tsisy mahakobo
maka beka ao ambikin'ny trano
ande anainga ho aiza mo?  fa ikarama antsaka rano

tsy mahamenatra fa asa fivelomana
tsy mamenatra satria za tsy mangalatra
avy any vao miverina mody mande miomana
otran'ny zana-bahoaka rehetra mandeha  mianatra


Refrain :

fa tsy nanana aho nomenao eh
vahaolana tsy hita hisa
fiaianana eto ko tsy paradisa fa
niadana aho ka mankasitraka

mbola mitsiky aho no noho ianao eh
misy  mitantana mba tsy ho very
sapanan-dalana maromaro
mitohy ny dia mba fenoy hery aho


2-

gala no azoko ny maraina
miotra kely io, rehefa atao vÿ very ny aina
fa tsisy iasako saina zama ah
ambom-po iray ihany,  indray andro any, mila tafita  ny zanakao ry mama

mahay manisa aho, mahalala taratasy
nomena safidy aho fa, na  pil io na face
mafy mafy fa mila mahay miavaka
mila valin'ady dia mbola ivaly koa ny vavaka.


Outro :

Tsy maniry midina aho
fa miketrika ny avo
amaly babena
izay niasa mafy mba ho lakana ny hazo

Itady ny vidiny
anefako an'izay sarany lafo
na mamy na mangidy tsy manahy
fa ho arehatro ny afo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marius Andria
Vangy : 258
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : marius_andria
Daty : 22/10/2023 21:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663