Miangatra ny vintana (Marius Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Nisy fotoana izaho nandalo tamin'iny lalana iny
Andro mbola nazava tsara angamba tamin'ny dimy
Nirava avy nianatra ny tena tsy mba nanam-po
Hoe hisy zavatra hitranga ahatonga ahy hiasa loha

Tonga teo am fiantsonana mba iandry fiara
Tampoka teo nisy nikitika ahy avy ao afara
Niodina aho ka tazako ankizy mianadahy
Vavikely ilay mitrotro moa ilay trotriny kosa lahy

Ramose azafady mba mangataka hoy izy
Efa atram maraina izay tsy mba nihinana ka noana
Na de zato ariary aza re no foinao mba misy
De mahafaly anay ankasitrahanay foana foana

Izaho moa tsy dia maika ka mba afaka niresaka
Nanadihady tsara dia nasaiko izay ireo hipetraka
Nanontany aho avy eo fa  angaha ianareo tsisy mpiahy ?
Nojeren'ilay zokiny tsara aho dia izao no navaliny ahy...


Fiv :

Miangatra ny fiainana
Ny vintana koa tsy mba teo
tr anana ny ampy anefa
tsy afaka ny amoaka feo


2-
Dia nitohy ny resakay ny mamanzareo kay efa maty
Dia ny dadany any am-ponja noho ny hetraketrakin'ny hafa
Voatery izy ireo miaritra sy misedra ny mafy
Mbola manantena fa indray andro any mbola ho tafa

Nisento aho nandre ny tantara nolazainy teo
Nangina fotoana vitsy izaho nihato tsy nahaloa-peo
Tsy fanirina marina ny ahantra teto an-tany
Fa ny mangidy rehefa hiaretana, ny voka-tsoa dia mamy

Fanontaniana farany napetrako tamin'izay
Ianareo ve manana faniriana hafa anakiray ?
Ilay zandriny no namaly sady nitsiky am-pifaliana
Dia hoy izy rehefa tafa izahay mba hanapy ny hafa satria izao izahay nampianao

Ny andro efa ho maizina ny fodina mbola lavitra
Ny fiara koa efa tonga ny anao velona no sarotra
Nisava kitapo za de aveo nanolotra vola kely
Sady nankahery ny ao ambony tsy hamela anareo ho irery


Fiv :

Miangatra ny fiainana
Ny vintana koa tsy mba teo
tr anana ny ampy anefa
tsy afaka ny amoaka feo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marius Andria
Vangy : 105
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mariusandria8
Daty : 24/11/2025 16:04
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.024