Hafatra farany (Marius Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-

Ry tiko,
manantona eto akaikiko,
Enoy tsara de aza tapahana
Efa reko Efa kely sisa ny heriko..

Olombelona iany nofo aman-drà
Mety lavo ilay misy ny fo mitempo
Fanirinao farany lazao ahy
Tatarantsika ho tononiko eto

Tadidinao ngamba lay tsiky kely
Nambabonao ny foko tsy manantsiny
De zao ko mba tiko ra tsiky kely
No isaorako anao sady ialako tsiny

Tsy foiko ianao fa za tsy tompon-teny,
Mpandahatr'aina fa mbola velomina,
Fara fiainako ny maita anao
Iteny farany aho sisa de anao veloma !




Ref :
Ra lasa androany aho
De aza asina ranomaso

Ity hirako enoy
De ny fasako Asio vonikazo

Fa mijery anao eo foana aho
Ra toa matsiaro ahy ianao



2-

Tambin'ny adisoako ny fahoriko
Tombon'ny tsara ho ahy ny fitiavanao
Izay nomena ahy ihany no fifaliako
Tsy nitia afa ankoatra aho fa fantatrao

Tsy apalaelo anao ny fahalasako
Za tsy ho aiza fa ho anjely mpiaro
Ivavaka ho anao aho fa aza misento
Lay zanatsika roa mba tezao tsara

Be ny soa nandalo tamitsika
Be ny mafy niara niady fona
Za ity hody ho vata mangatsiaka
Saingy mitraka re fa aza misaona

Mbola iaona iany refa any ankotra
Fihino za alohan'ny akanesako
Ilay orokao no mamy sisa farany
paradisa alohan'ny fafatesako


Ref :
Ra lasa androany aho
De aza asina ranomaso

Ity hirako enoy
De ny fasako Asio vonikazo

Fa mijery anao eo foana aho
Ra toa matsiaro ahy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marius Andria
Vangy : 894
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mariusandria8
Daty : 02/06/2021 19:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0546