ZAVAMISY (Mamychel (Mamy Michel))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana : zavamisy fiainam-bahoaka tsy maintsy mitady n’inon’inona manjo,
                  miantso anao
Misy vary masaka ve ? hanary fako ô! Misy vary masaka ve?
Glace coco esquimau esquimau!
Voasary mandarine grefy ary loranjy!
Tavoahangy e! tavoahangy kapoaka na nestlé hovidiana ô

Haingony : Antsoantso no ameloman’ny olo-maro ny ankohonany
               miady mafy e! tsy maintsy miafy ô! ô!

Vao mafana ny koba ô! Koba mafana ô!
Sao dia hividy anan-tsonga anamamy na ravim-bomanga tissam ô!
Sao dia hanakalo ô!
Sesi-kidoro ô
Tsaramaso e!

Aty ny mandeha , mbola malalaka be ny toerana e! Fenoy efatrefatra lay ao aoriana ao e! Majinika ny vola an?
Atambatambaro kely lay frais tsika azafady e!
misy miala amin’ny manaraka? Tsisy arret tsony eo ry neny a!
Any aloha any indray e! Misy Miala ? Eo ary lay MIALA e!

Fiverenana : zavamisy... etsetra etsetra....

Ty ny alamo ô!Ty ny alamo ô!Ty ny alamo ô!
A’ry zato ny alamo ô!
Misy vary masaka ve hanary fako ô! misy vary masaka ve?
Ariana ny fako?

Mamychel (c: OMDA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamychel (Mamy Michel)
Vangy : 3185
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zahkovonona
Daty : 20/03/2004 05:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2459