ilay teny (Lil'C)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref
Homeko ho anao ny hira
Homeko ho anao ireo teny
Ianao ilay vato safira
Nokoboniko ho ahy irery
Homeko ho anao ny hira
Homeko ho anao ireo teny
Tsy tanty intsony ilay mangina
Tazomy am-ponao ireo teny

Lil’c
Omeko ho anao ny hirako
Hanambarako ireo tsy voalaza
Efa hainao ihany fa ny ahy moa
Hira ihany ny fanaovako azy
Manampy ahy ny hilaza ireo
Bitsika mangina am-po tsy homeko feo
Voatazona anaty vazivazy sy sangisangy
Kanefa dia tsy andriko izay hiainoanao azy

Ref:
Homeko ho anao ny hira
Homeko ho anao ireo teny
……………………………..

Sweet gangsta
Mangiana ny ato am-poko tsy maha-teny
Mahita anao aho lasa saina dia efa very
Tsy fanahy iniako fa ny foko no malemy
Ka ity ilay teniko vazo iray ka voateny
Menatra aho ry joba menatra aho ka sanatria
Menatra aho ry joba menatra aho ny hikôzy an-ndry
Menatra aho matoa nametraka an’ity vazo ity
Menatra ao anatiko, menatra aho akia
Ka tsy tantiko ny mahita anao isan’andro toy izany
Mampijaly, mankarary, miantsoantso, mitomany
Ka tsy tantiko ilay toetranao manaiky hatrany hatrany
Ka manadoboka ny fo, manakorontana ny tany
Nefa efa aiza ilay fitiavana mankaiza (kaiza !)
Nefa efa aiza ilay fitiavana hatraiza (hatraiza!)
Ka omeko  anao ny hira (hira), omeko anao ilay teny (teny)
Omeko anao ny foko (foko), omeko anao ry Neny!

Ref:
Homeko ho anao ny hira
Homeko ho anao ireo teny
……………………………..

Homeko anao ny hira
Homeko anao ireo teny
Ianao ilay vato safira
Nokoboiniko ho ahy irery
Homeko anao ity hira
Tokana ho anao irery
Tsy mahatanty mangina aho
Ny foko babo no miteny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lil'C
Vangy : 8447
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 28/08/2012 21:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759