Andeha izy (Lil'C)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy alahelo tsy mivoaka ato anaty foko lalina
Misy hetsi-po tsy tafaloatra, tsy ahitako tory ny alina
Misy habangana, iray tsy zaka, mibahana ny ao anatiko,
Misy troatram-pery iray maratra, maharary ka tsy tantiko,

Misy zioga tsy hay zaraina, manembatsembana ny fiainako,
Misy vesatra taraina, mampihorohoro ny fisainako,
Misy vaingan-dranomaso, tsy mety hitsonika ho rano,
Misy jaly izay mikiky, ny fanahiko manganohano

Misy ireo rehetra ireo , izay tsy tohako, tsy zaka
Misy olana aho zareo, ka lasa sarotra mitraka,
Misy adin-tsaina sy fanahy, mampalemy ny eritreritro
Misy olam-be mianjady, ka mampangoly koa ny heriko

Handeha izy, fa tsy maintsy , noho ny antony manokana,
Handao ahy sy ilay izahay, na dia efa nety ilay nitokana,
Handeha izy, tsy afa-mihemotra, efa nifanarahinay,
Handeha izy, handeha izy, izay no mety aminay

ny fisarahanay toerana, tsy setrasetran''ny ankaso
na hasomparan''ny tsy tia, na vitan-dratsy nampikatso
na fisintahana sendoatra, na adiady tafahoatra,
na valifatim-pamitahana, na sangy ratsy lasa loatra

fa lalana tsy maintsy diavina, sedra tsy maintsy koa lalovana
ka raha kivy moa fa olona, sy mora reraka torovana,
dia miandrandra hatrany ny Avo, hitantana ny lalany any
sy hankahery ahy aty ; fa lalam-piainana izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lil'C
Vangy : 9668
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : meva64
Daty : 15/02/2013 21:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2114