Ririnina (Ikalalila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangina
Manjavonjavona
Marain-dririnina

Mangatsiaka
Manerikerika
Alin-dririnina

Mihisàna ary aty
Hifampiankina
Haka hafanana akia
Hifaneritery amoron'afo eto isika

Ireto rahona
Ahiako tsy hisava
Hanjombona ny lanitra

Hiondrikondrika aho
Ho maloka endrika aho, hoy aho
Fa diso maizina ny tany

Iangaviako ary ianao
Hanakaiky ahy
Hitady hazavana izao
Sao hamiratra hanjary ho masoandroko ianao

Na hisy ranomandry mihitsy aza
Rehefa tsy hety hifoha "Ingahy Masoandro"

Raha izay lohataona baliaka any akia
Tsy atakaloko ririnina raha...
Raha miaraka isika !

Tononkira : Lila Ratoveloniaina
Feony : Lila Ratoveloniaina, Tsiry Ratoveloniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ikalalila
Vangy : 339
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/07/2024 18:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122