DADA SY NENY (HAINGOMALALA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DADA SY NENYTsy ho adino Ianao, ry Dada
Tsaroako hatrany Ianao, ry Neny
Fa tsy maty ao am-poko ny fitiavana anareo
Ka vetsoiko ombieny ombieny.
Ny fananarana natao,
Ny fanabeazana nomena;
Dia isaorana anareo, ary matokia tokoa
Fa tsy ho adino na hivena.
Ny fihafianao, ry Dada,
Ny fandeferanao, ry Neny
Hivavahako amin’ny Ray izay mpamonjy sy Mpiahy
Mba hitombo zato heny.
HAINGOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : HAINGOMALALAVangy : 2775
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAFILOZOFY
Daty : 08/09/2004 02:46