Handeha hidera ny Tompo (GADHONA ARTISTIKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:
Handeha isika hidera ny Tompo e !
Handeha hankalaza ny Tompo e !
Fa tratry ny toy ny fotoana
Hifaly havanja fa afaka nihaona
Dia ravoravo ny fo sy fanahy
Mitotorebika manao fampitahy
Misaotra ny Tompo Jesoa, mitari-dàlana antsika tokoa

Refrain:
Fiderana mirehareha toy ny solika mampandrehitra
Tena iray ho an'i Kristy isika (x 2)
Ny GADHONA ARTISTIKA no fikambanana (fikambanana)
Mitory sy manambara ny fiadanan'ny Tompo (ny fiadanan'ny Tompo e)
Iraka ho iray ny ho an'i Jesoa (oia) izay efa nanavotra Antsika (x 2)

Feon-kira...

Couplet 2:
Handeha isika hidera ny Tompo e!
Handeha hankalaza ny Tompo e!
Misavononoka ny hafaliana
Fa tojo ny zava-nariana

Hoooooooo Hooo!!!! Ai ai ai ai ai ai ai ai ai....
Sôma sôma sôma !!! Ai ai ai ai ai ai ai ai...
Andao hidera ny Tompo e... Izay...

Refrain:
Fiderana mirehareha toy ny solika mampandrehitra
Tena iray ho an'i Kristy isika (x 2)
Ny GADHONA ARTISTIKA no fikambanana (fikambanana)
Mitory sy manambara ny fiadanan'ny Tompo (ny fiadanan'ny Tompo e)
Iraka ho iray ny ho an'i Jesoa (oia) izay efa nanavotra Antsika (x 2)

Tonony sy feony : Julien RAKOTOAARIJAONA
--------
Rohy:
Hevitra
hagamamytahiana2023 ( 16/12/2023 06:22)
@hery, namana serasera. Salama ianao, ny hira efa nalefako tany amin'ny radiovazogasy.com ny hiran'i GADHONA ARTISTIKA
hery ( 16/12/2023 11:21)
Salama, Hitako ilay izy fa toa tapaka daholo no alefanao? 😊
hery ( 16/12/2023 11:26)
Ito izany feno fa ny hira hafa nampidirinao tapaka daholo.
hagamamytahiana2023 ( 17/12/2023 08:20)
Misaotra betsaka fa voaray tompoko. Mirary soa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GADHONA ARTISTIKA
Vangy : 304
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 15/12/2023 08:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127