Mangataka pardon (GADHONA ARTISTIKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1 :
Firy amintsika izao izay manora-tena ho mpivavaka ?
Firy amintsika izao no efa tena vonon-kibebaka ?
Sa kosa dia fahazarana sy fisehoana hiavaka ?
Tonga aho ho henatra ho an'i Tompo Andriamanintsika e (x 2)

Refrain (x 2):
Mangataka pardon, mangataka pardon amin'ny zanakao Andriamanitra ô
Mangataka pardon e! Mpanompo tsy mahasoa izahay ka dia mangataka amin'ny fonareo

Couplet 2 :
Isan'andro tsy mahafoy ny rendrarendran'ny tany
Vola no hoe matesana sy tompoina amin'izany
Andevozin'ny fahantrana ka tsy mahita mangirana
Ka indro fanilo ho may e, mankany amin'ny fahotana (x 2)

Refrain (x 2):
Mangataka pardon, mangataka pardon amin'ny zanakao Andriamanitra ô
Mangataka pardon e! Mpanompo tsy mahasoa izahay ka dia mangataka amin'ny fonareo
Mangataka pardon ! mangataka pardon !

Feon-kira...

Haingony:
Tonga nidina tety, ilay Tompo be fitia
Tonga mba hamonjy Antsika noho ireo ota tsy hita isa
Niaritra ny fijaliana, nefa dia nampahoriana
Vahotra ho ahy sy ho anao ho an'izao tontolo izao

Ka hoy aho hoe... Mangataka pardon aminao e!
Mifona, mifona e!!!

Tonony sy feony : Julien RAKOTOAARIJAONA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GADHONA ARTISTIKA
Vangy : 214
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 16/12/2023 12:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748