Mbola ekeko (FEFIA1 (FPVM Ambolo Fanavaozana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mbola ekeko Tompo no hirakaoMbola ekeko hanao asanao
Mbola ekeko hataoko amin'ny fo
Tena ataoko antsitra-po Ray
Fa ny hangatahiko aminao
Homeo ahy ilay Fanahy Masinao
Hoentiko miady ary hampahery
Ireo reraka am-panahy
Réf: Z'inona moa zahay ry Tompo o
No mba finidinao hitory Anao
Fa ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao
2-Tsy hataoko ho fahazarana
ny fahanompoko Anao ry Ray
Na koa hialangalana
fa ekeko tsotra izao
Tsy filan-javatra tokoa
na firerehana ihany koa
Fa tena vokatry ny fo sy Fanahy
Réf: :;:Z'inona moa zahay ry Tompo o
No mba finidinao hitory Anao
Fa ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao :;:
F'ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FEFIA1 (FPVM Ambolo Fanavaozana)Vangy : 23
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FEFIA1
Daty : 19/12/2025 14:01
