MALAIMISARAKA (Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Takarivan'ny alahadyTsinam-bolan'ny Alahamady
No na hitako an-droky voaloha(ny) teiry avara-tsinanan'ny vavahady
Dia nikisaka nianatsimo anelanelan'ny Adaoro sy Adizaoza
Teo sahady aho dia efa nino fa tsy maintsy ho lafatra be ilay kaozy
Malaindaina, malaimisaraka.
Nalahelohelo mila hitomany, tsy ho tafahaona izany ny Asorontany
Be erehina sy tena sahirana, fanenjehana raharam-pamadihana.
Asa angamba atsy ho atsy
Tsy aleo ve ny Alahasaty
Raha tsy izany dia ny Asombola
Eo isika vao mandamina mora, mamolavola, mifanakalo rora, midoladola.
Vodiandron'Adimizana
Sasa-niandry aho tao an-tanàna
Tsy nitsaha-nitrotro am-bavaka aho Malala nanao hifankahitana.
Fenomanana Alakarabo
Miramirana ravoravo
Hafaliana tsy omby tratra teny antsena raha sendra mba nifanena
Nalaindaina, malaimisaraka
Fitiava-matotra fa tsy maosimaosy
Nanampy fatotra ny Alakaosy
Resy lahatra ny Adijady hanamafy horina ka andeha mba hivady
Nampihetsi-po ilay Adalo
Velon-kira nikalokalo
Miarimbolan'ny Alohotsy;
Tsy ankijanona alahady-sabotsy: toa rotsirotsy
Alahamady-Alohotsy: toa nitositosy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga)Vangy : 517
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Asampinga
Daty : 03/08/2023 02:20