Izahay Velon-kiza (Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e ! MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA Ho’aho ! (X2) 1- Zatra ny lalan-dririnina ve sy ny didiko fehy lehibe
Efa zatra manao tsinontsinona rey ! Firazanana no rehareha
Firazanana no entina mihebo e! Sy mba entina anindritsindriana
Dia lazaina fa faikan’Andevo, lazaina ho lamokan’Andriana
Dia ambara fa hoe « Hovan-doza »
Tsy any intsony izao isika leiretsy
Ny saina mivoatra sy miova
Ny Fanahy izao no atao metimety.
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA HO’aho
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e !
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e ! MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA Ho’aho ! (X2)
2- Zatra mandranitra tandroka angaha ka adi-poko indray no ranitina
Zatra mikolo ny rambony ‘ngaha no sara-bazana no tsiriritina
Tsy misy hafa afatsy ilay Nahary no am-pizara ny valamparia
Ny gasy dia rano sy vary Ampoka hatrany fitia
Vahoaka olo-kendry ny gasy
Fetsy no sady maranitra
Tsy voasarik’izay fanahy ratsy
Fa matahotra an’Andriamanitra
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA HO’aho
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e !
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e ! MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA Ho’aho ! (X2)
3- Na avy any Antsinanana ianao na avaratra, atsimo, andrefana
Dia ilay fihavanana hoy aho, io hatrany no iraha-mientana
Aleo izy hanao ny hataony fa isika mangina milamina
Na ho tampina aza ny daomy hoio gisa sy hodio fanina
N’iza n’iza ny hila kisa e !
Fandalovana ny eto an-tany a !
Izy sy ny Anjelitsika e !
No aoka hifamaly amin’izany a !
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA HO’aho
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA e !
MANAOVA MALOTO F’IZAHAY VELON-KIRA (X …)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga)Visites : 150
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Asampinga
Date : 18/08/2025 23:11
